ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Vita soa aman-tsara ny tetezana Andranotsimihozo

Vita soa aman-tsara, narahina fitokanana, ny tetezana Andranotsimihozo, kaominina Talata Volonondry, ny faran’ny herinandro lasa teo. Fiaraha-miasa sy fiaraha-mientan’ny fokonolona sy ny kaominina no nahavitana izany tetezana izany, izay efa nandrasan’ny maro an-taonany maro ny fametrahana izany.

« Izao tetezana izao no vita dia nohon’ny fiaraha-miasa madiodio ny kaominina sy ny herim-po ny fokonolona Andranotsimihozo. Manala ny fahasahiran’ireo mponina tokoa ny fahavitan’ity tetezana ity ary ho tombotsoan’ny vahoaka ny fahavitany izao » hoy ny ben’ny tanàna.

« Faly tokoa amin’ny fahavitan’ny tetezana vaovao satria efa ela no niandry izany izahay mponina. Tsy sarotra intsony ny hamangy ireo havana aman-tsakaiza toa ny teo aloha. Manamora ny fivezivezena sy ny fitaterana entana mivoaka sy miditra eto amin’ny fokontany » hoy i Mihary, mponina ao an-toerana.

Tao anatin’ny iray volana mahery no nanamboaran’ireo fokonolona ity tetezana amin’ny béton ity ary tsy nikely soroka ny fokonolona tamin’ny fanmboarana izany. Soa fianatra ho an’ny kaominina hafa tokoa izao fahavitana foto-drafitr’asa iombonana izao. Rehefa misy tokoa ny firaisan-kina sy ny finiavana ary ny fandraisana andraikitra dia tonga ho azy ny fampandrosoana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire