Ambohimanambola : Ny ekipa lehilahy avy ao Ambatobe sy ny Est Mahazoarivo vehivavy no nandresy nandritra ny famaranana lalao basket
Ny mpilalao avy amin’ny ekipa lehilahy avy ao Ambatobe sy ny Est Mahazoarivo, sokajy vehivavy no tompon-daka ary nahazo ny amboara Ondry sy lelalovola nandritra ny lalao famaranana ny baskety, izay notontosaina tao amin’ny toeram-pilalaovana tao Ambohimanambola, tamin’ny alahady lasa teo.
« Nahafinaritra ny lalao famaranana ary hita avokoa ny lenta sy ny fahaizana teo amin’ireo mpilalao. Na teo amin’ny ekipa resy na ny mpandresy, efa samy mahay milalao avokoa ka dia hirariana hitohy hatrany ny ezaka eo amin’ireo mpilalao, mba hanohy fanazarantena hatrany ka ho lasa lavitra » hoy ny mpikarakara.
« Ny fanohanana avy amin’ny ekipa sy ireo mpijery no hery manohana hatrany anatin’ny lalao. Vonona hanome ny tsara hatrany ary ny lalao baskety efa anatin’ny ra ka hiezaka hanome ny tsara hatrany satria mbola betsaka ireo nofinofy » hoy ny mpilalao.
Maro tokoa moa ireo klioba nandray anjara tamin’ity lalao ity. Tsara ho marihina fa ny ekipa avy ao Ambatobe, Mahazoarivo Est, Ambohimangakely ary Ambohimanambola, sokajy lahy sy vavy no nifandona tamin’ity lalao famaranana ity.
Manitra Ramanantsoa
