Etats-Unis : Yale University, anjerimanontolo manana ny lazany
Oniversite tsy miankina ao New Haven ao Connecticut ny Yale University na YU. Niorina tamin’ny taona 1701 tao amin’ny colonie de Saybrook izy io mba nentina nanomezana fiofanana ireo révérends congrégationalistes.
Anjerimanontolo fahatelo ela nisiana indrindra tao Etats-Unis ny YU. Ny taona 1716 izy vao nafindra tao New Haven ary novaina hoe Yale College ny anarany ho fankasitrahana ny fanomezan’ny governoran’ny « Compagnie britannique des Indes orientales », Elihu Yale.
Tany am-piandohana dia nifototra tamin’ny teolojia sy ny fiteny litorzika ny fampianarana tao YU. Nivelatra tsikelikely izany ary nanomboka nampidirina ny siansa sy ny maha-olombelona tamin’ny fotoanan’ny Révolution américaine. Nanomboka ny taona taonjato faha-19 kosa no nanomboka nisy ny fampianarana « postgraduée » sy matihanina.
Ny YU no anjerimanontolo voalohany nanome mari-pahaizana Ph.D. voalohany tao Etats-Unis tamin’ny taona 1867.
