Ambohimanga Rova : Omena sehatra ireo ankizy lahy mandritra ny « Angaredona Mozika Festival »
Ao anatin’ny fanomanana ny hetsika « Angaredona mozika festival », dia hahazo sehatra ihany koa ireo zaza lahikely. Ankoatra ny sehon-tsehatra atao mandritra ny roa andro, izay atao ao amin’ny kaominina Ambohimanga rova, misy ihany koa ny fifaninana « Kilonga Milalao » ny andron’ny sabotsy 24 septembra.
« Ny kilonga milalao dia fifaninana handraisan’ireo ankizy lahy kely eto an-toerana anjara izay hifaninan’izy ireo amin’ny manosika “pneu”, manosika kalesy, Kinarinarina ary ny fanorona. Izany dia hanasana ireo ankizy rehetra ho tonga hisoratra anarana raha te handray anjara amin’izany » hoy ny mpikarakara.
« Mahafinaritra tokoa ny famelomana indray ireo kilalao tahaka izao, anisan’ny manamarika ny fahazazana io. Tsara mihitsy hoe anatin’ny fanomanana fankalazana toa izao dia omena sehatra ny ankizy sy ny kilalao mampiombona satria taratry ny firaisan-kina izany » hoy i Laza, mponina Ambohimanga rova.
Fanomezana lanja ny soatoavina no voizina mandritra ity hetsika « Angaredona mozika festival » ity, ao anatin’izany ny kanto sy ny kilalao mampiavaka ny malagasy. Maromaroa tokoa ny hetsika tahaka izao mba hamelo-maso ny maha Malagasy, indrindra ny fanomezana sehatra ny kolontsaina maha Malagasy.
Manitra Ramanantsoa
