ActualitésTsidika

Anjeva : Misy ny tolotr’asa ho an’ireo mahay asa tanana

Misy ny tolotr’asa ho an’ireo vehivavy mahay asa tanana, ao amin’ny kaominina Anjeva sy ny mandidina. Ireo vehivavy mahay manao « crochet » na tsia amin’ny rafia no tadiavina ao anatin’izany. Misy ny fiofanana omena ireo izay tsy mbola mahay ao anatin’izany ary tonga dia miasa kosa ireo efa mahafe ny asa.

« Asa matotra avy hatrany no atolotra ary entina hanampiana ireo vehivavy mitady asa amin’izao fotoana sarotra izao. Ao anatin’ny fanomezana lanja ny asa tanana ihany koa izany ary manome vahana ny vita Malagasy » hoy i Sendra, mpanao asa tanana.

« Tsy misy mahavita tena fa ny fifanampiana amin’ny sehatry ny asa no tena zava-dehibe. Ny fahavonona sy ny fahazotoana no tena ilaina amin’ireo liana amin’ny asa » hoy ny tomponandraikitra.

Amin’ny maha firenena an-dalam-pandrosoana an’i Madagasikara, tokony tohanana sy omena vahana ny sehatry ny asa tanana mba ahafahana mandrisika ny fampandrosoana eny ifotony. Ny asa tanana izay mamelona fianakavina maro indrindra amin’ny tontolo ambanivohitra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire