Fitaterana tsy ara-dalàna : Voararan’ny lalàna ny fitaterana tsy nahazoana alalana
Fiara tsy mataho-dalana iray no saron’ny Tobim-paritra miandraikitra ny filaminana sy fifamoivozana eny amin’ny lalana ao Ambatolampy (Brigade Police de la Route).
Samy voararan’ny lalàna na ny fitaterana antsokosoko na ny fitakiana saran-dalana miompampana amin’ireo mpandeha, samy nataon’ity fiara tsy matahodalana ity daholo anefa ireo ka izao saron’ny zandary izao. Nogiazana avy hatrany ny taratasin’ity fiara ity sy ny fahazoan-dalana hamilin’ny saofera ka handraisana fepetra hentitra ny mpamily azy.
Mahazo mitondra olona ny fiara tsy nahazo alalana saingy vao miala avy any amin’ny fonenany na ny toeram-pisany no maka olona fa tsy eny amin’ny lalana izay tokony handraisan’ireo taxi-brousse ny mpandeha amin’izy ireo » hoy ny zandary nanazava. Ilaina fanazavana misimisy kokoa anefa ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana satria mbola maro ireo tsy mahay ka mahatonga azy ireo handika lalàna anaty tsy fahalalana izany. « Misy ny atao hoe auto-stop kosa raha maika ka ahoana moa ny fomba hataon’ireo gendarme ireo raha entiny izahay dia lazainy fa mpiara-miasa aminy na fianakaviany » hoy i Seheno, tao amin’ny tamba-jotra facebook. Hoy kosa ireo mpitatitra : « misy olona miteny hoe rehefa tsy mandray ny taxi-brousse dia mandeha amin’ireny izy ireo fa aminay rehefa hampiharina ny lalàna dia hampiharina amin’ny lafinyr ehetra satria anisan’ny manimba ny asanay ihany koa izany ».
Manao ny asany ireo mpitandro filaminana eny amin’ny lalam-pirenena, misy asa sasany mbola manan-danja kokoa noho ny fitsirihana hatrany amin’ny kely indrindra amin’ny fiara mpitatitra olona ireny anefa ka izany no tokony laharam-pahamehana amin’izy ireo.
Miora Raharisolo
