Tritriva : Nahitana setroka nivoaka avy any anaty lava-bato
dépêche 19 septembre, 15h, Nampiahiahy sy nampametra-panontaniana ireo mponina sy ireo mpandalo ity tranga tao Tritriva ity satrai nahitana setroka nivoaka avy any anaty lava-bato. Rehefa nojerena akaiky izany dia noheverina ho noho ity toerana ity nisy volkano taloha no nampisy izao setroka izao satria ahiana ho mitady hiverina hivoaka indray ilay volkano. Ahiahy ihany moa izany rehetra izany fa miandry ny manam-pahaizana vao afaka manome valiny mahafa-po.
