ActualitésTsidika

Ankadindramamy : Jiolahy efatra nanafika toerana fanaovana mofo

Jiolahy efatra no tonga nanafika toeram-panamboarana mofo (boulangerie) ireny ny faran’ny herinandro teo. Lehilahy mipetraka eo ampitan’ity toerana fanaboarana mofo ity ihany no voalaza fa nanao ny fanafihana taorian’ny fisamborana. Ny iray no tratra tao anatin’izany, ny telo hafa kosa tafaporitsaka izay mbola karohina amin’izao.

« Efa tsy mifidy toerana tafihina intsony ireo olon-dratsy. Hisaorana moa ny mpitandro filaminana manao  ny asany ary tonga ara-potoana. Manantena kosa hanome sazy mifanaraka amin’izao tranga izao » hoy i Roger, mponina ao Ankadindramamy.

« Ny fijerena ireo tanora no tokony hataon’ny tompon’andraikitra vaindohon-draharaha, miha mahazo vahana ny asa ratsy satria tanora tsy an’asa no be dia be kanefa ny fiainana feno haitraitra ka mamporisika ireo tanora ireo hanao asa ratsy » hoy i Tefy, mpianatra mikasika ny lalàna eny Ankatso.

Hita taratra amin’ny fiainana andavan’andro tokoa fa miha mahazo vahana ny trangana tsy fahandriam-pahalemana, ary tsy mifidy ireo mpanao ratsy. Iza tokoa moa no homena tsiny raha manjaka ny tsy fahandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao ?

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire