ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Ho tanterahina tsy ho ela ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana ao amin’ny kaominina

Fizaham-pahasalamana maimaim-poana no hatao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny Alarobia 21 Septambra ho avy izao. Ao amin’ny CFP Belanitra (Fokotany Belanitra sy ny manodidina) no hanatenterahina izany, izay hanomboka amin’ny 8ora sy sasany maraina. Fitiliana ireo karazana aretina maro, fizahana ara-pahasalamana ary fanaovam-bakisiny no hiseho mandritra izany.

« Anisan’ny fanatanterahana ny velirano izay nataon’ny filoham-pirenena ny fanatanterahana ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaim-poana ka anisan’ny hisitraka izany ny kaominina. Izany ihany koa no natao mba hahafahana manakaiky ny vahoaka eny ifotony sy mampisitraka azy ireo fitsaboana sahaza » hoy ny tomponan’andraikitra ao amin’ny kaominina.

« Ilaina tokoa sady fananararaotana ny hetsika tahaka izao satria ny makeny amin’ireo tobi-pahasalamana amin’izao efa tsy vita intsony noho ny hasarotan’ny vidim-piainana » hoy i Solo, mponina ao Belanitra.

Tsy mifidy sokajin-taona fa afaka misitrika izao fizaham-pahasalamana izao avokoa ny olona rehetra, tsy misy ihany koa ny fepetra manokana ho an’ny fizahana. Ny vahoaka salama tokoa no afaka mampisy fandrosoana koa aleo misoroka toa izay mitsabo raha misy mampanahy na tsy metimety ao anaty ao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire