Sabotsy-Namehana : Fanabeazana ny olompirenena rehetra ho tia fahadiovana sy ho zatra fahadiovana
Hampandraisina andraikitra ireo mponina rehetra ao amin’ity kaominina ity mba samy hitsinjo ny fahasalaman’ny tsirairay amin’ny alalan’ny fitiavana ny fahadiovana ity hetsika ity.
Hitondra ny anjara birikiny ny tokan-trano tsirairay amin’ny fikajiana ny fahadiovan’ny tanàna manomboka ny taona 2023. Amin’izao fotoana dia efa hampianarina sy beazina ny mponina mba tsy hanary ny fakony eny rehetra eny fa hametraka izany amin’ny toerana voatokana eny anivon’ny fokontany tsirairay.
« Ho atao izao hetsika izao mba handaminana ny tanàna, sy mba ho tsara jerena ity kaominina ity, ary mba hahatamana ireo mpivahiny eto. Ny tanjona lehibe ihany koa ny mba hampatonga saina ny olona rehetra fa manana andraikitra daholo ny isam-batan’olona fa tsy hoe ny mpiasan’ny kaominina irery ihany » hoy ny mpanolo-tsainan’ny kaominina. « tsara izao fandraisana an-tanana izao ary enga anie hisy vokany mivantana izany » hoy i Hasina, mponina ao Sabotsy Namehana.
Ny kaominina rehetra dia samy manana ny fomba fiadiny hisian’ny filaminana, ny fahadiovana, ny fahasalamana eo aminy. Azo alain-tahaka ity etsy Sabotsy Namehana ity satria isan’ny ilain’ny mponina rehetra ny mba hanana andraikitra ho amin’ny fampandrosoana ny azy, ary afaka entiny any amin’ny tokntranony tsirairay ny fahazarana hananany eo.
Miora Raharisolo
