ActualitésTatitra

Canada : Inona ilay « tabarnak » ?

Any anaty horonantsary amin’ny teny frantsay, izany hoe avy any Québec, no tena ahenoana izany teny izany. Teny fampiasa rehefa misy trangan-javatra iray izy io, ary avy Québec no niforonany.

Nalaina avy tamin’ny teny hoe « tabernacle » izay teny fampiasan’ireo mpino katolika ity teny ity. Ireo olona ao Québec no tena miteny izany ary, ampiasainy rehefa tezitra, na sosotra na misy zavatra tsy nifanaraka tamin’ny eritreriny miseho izany.

Efa teny fampiasa amin’ny andavan’andron’ireo mponina mihitsy izany, ka ny karazan’olona rehetra dia efa samy mampiasa izany avokoa amin’ny fotoana afaka hampiasana izany. Manamaivana ny filazana sady tsy manimba be loatra ny sofin’ireo tsy zatra izany ny fanovana azy ho « tabarnouche » na « tabarouette ».

Laisser un commentaire