Tatitra

Mexique : Naharay levim-patra miisa 200 000 amin’ny vaksiny Spoutnik V.

Naharay ny levim-patra voalohany amin’ny vaksiny Spoutnik V i Mexique, ny alatsinainy 22 febroary, entina hiadiana amin’ny covid-19 any an-toerana. Efa nahavoaray levim-patra miisa 200 000 amin’ny vaksiny  vokarin’ny laboratoara sinoa Sinovac izy ireo ny sabotsy lasa teo. Entina hampiasaina amin’ireo olona maherin’ny 60 taona kosa ny Spountik V nafarana io alatsinainy io. Ankoatra ny Sinovac, efa naharay vaksiny Pfizer/BioNtech, Astrazeneca sy CanSino, mbola vokarin’ny laboratoara sinoa ihany koa I Mexique. Nanomboka ny 24 desambra ny fanaovana vaksiny ireo mponina mexikana. Ny 15 febroary teo kosa vao natomboka ny fanomezana izany ho an’ireo olona mananika ny 60 taona. Mitotaly 15 tapitrisa izy ireo raha ny antontanisa ofisialy. Antenain’ny governemanta Mexikana ho tapitra amin’ny tapaky  ny volana aprily ho avy izao ny fanaovana vaksiny ny mponina ao Mexique rehetra. Miisa 126 tapitrisa ireo mponina any an-toerana. 1 733 404 kosa no levim-patram-baksiny efa tonga tao Mexique hatramin’ny fotoana nanafarana azy. Mitàna ny laharana fahatelo amin’ireo firenena voakasika indrindra tamin’ny valanaretina covid-19 I Mexique. Mitotaly ho 2 043 632 ireo mitondra ny tsimon-karetina hatramin’ny taona 2020  ary 180 546 kosa no maty.

Laisser un commentaire