Ankadikely Ilafy : Hisy ny fitantanana ny fanadiovana sy ny fikojakojana ireo fokodrafitrasa
Notontosaina tao amin’ny biraon’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny talata lasa teo ny atrik’asa fankatoavana (Atelier de Validation) mahakasika ny fanatanterahana amin’ny fomba ofisialy ny fanadiovana amin’ny ankapobeny ny tanàna sy ny fikojakojana ireo foto-drafitrasa azo avy amin’ny tetikasa Lalan-kely faha telo ao amin’ny kaominina. Ny fikambanana Miotisoa no handray an-tanana izany manomboka ny alakamisy 22 septembra izao.
« Ao anatin’ny ezaka fampandrosoana ny tanàna dia ilaina ny fametrahana rafitra mpanara-maso sy mandrindra ny tetikasa mba hisian’ny firindrana sy ny filaminana ary indrindra hampaharitra ny tetikasa » hoy ny tompandraikitra misahana ny tetik’asa.
« Soa ho an’ny fanajana ny fananana iombonana ny fametrahana rafitra mahefa handray sy hitantana ny sehatra tahaka izao. Tsikaritra tokoa hatramin’izay fa noho ny tsy fahampiana teo amin’ny fandraisana andraikitra sy an-tanana ireo tetikasa ireo dia lasa manao izay tiany ny olona, tsy voahaja ilay soa iombonana » hoy i Holy, mponina ao Ankadikely.
Nanatrika izany atrik’asa fankatoavana izany moa ny solontena avy amin’ny GRET sy ny Enda Madagascar, ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny avy amin’ny fikambanana Miotisoa sy ireo fokontany voakasiky ny tetikasa ary ny solontenan’ny mponina avy eny ifotony.
Manitra Ramanantsoa
