ActualitésTatitra

Etats-Unis : Ny « Billard américain » no karazana billard be mpilalao indrindra

Misy karazany 4 ny lalao « Billard » : « Billard 8-Pool » na « Pool anglais » ;  « Billard Snooker » na « billard anglais » ; « Billard Pool » na « billard américain » ary ny « Billard Carambole » na « billard français ». Anisany be mpilalao indrindra amin’ireo karazana ireo ny « Billard américain ». Antony ny fahamorany.

Atao ambony latabatra misy lavaka enina izy io. « Bille » 16 no ampiasaina aminy : « bille de choc » fotsy iray ary « bille d’impact » 15 misy isa 1 hatramin’ny 15. Ny « bille » misy laharana 1 hatramin’ny 7 dia miloko feno (pleines), miloko mainty kosa ny laharana faha 8 ary miloko misy tsipika ny 9 hatramin’ny 15 izay antsoina hoe  « hautes », « barrées », « cerclées », « striées » na « rayées ».

Tsotra ny lalao « Billard Pool ». Izay matafiditra ny « bille » voalohany aorian’ny « casse » dia afaka manohy ny lalao ary mampiditra ny « bille » rehetra mitovy loko amin’ilay tafiditra. Mampiditra ny « bille » rehetra araka ny loko azon’ny mpifaninana tsirairay sy ilay « bille » mitondra ny laharana faha 8 alohan’ny mpifaninana no tanjona amin’ny « billard américain ».

Laisser un commentaire