ActualitésTsidika

Vilihazo : Hisy ny fikarakarana karapanondro sy kopia faobe

Hisy ny fanomezana kopia sy karapanondro maimaim-poana ho an’ireo feno 18 taona no mihoatra ka tsy mbola manana izany, izay atapo eny anivon’ny fokontany. Mba ahafahana misitraka ny zo sy ireo tombotsoa maro eo anivon’ny fokontany, to any asa, ny fianarana, ny fifidianana.

« Raha feno 18 taona ny olona iray kanefa tsy mbola nisitraka ny fananana kopia na karapanondrom-pirenena, afaka ataony tsara ny misoratra anarana eny anivon’ny fokontany ahafahana misitraka izany fanomezana mamaim-poana izany, izay avy amin’ny governemanta malagasy » hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Tena ilaina tokoa ny fanaovana izany satria ny manao kopia sy karapanondro koa amin’izao andoavam-bola ka tsara rehefa misy maimaimpoana toa izao dia manararaotra. Ny karapanondro ilaina amin’ny maha olom-pirenena, iny no maha izy anao ahafahana manao adidy, na mianatra, sy ny sisa” hoy i Nasaina mpianatra amin’ny lisea.

Manerana ireo fokontany manerana ny nosy moa ny hisitraka ity fanomezana maimaimpoana ity. Ho lazaina miandalana eto ihany ny mahakasika ny fandamianana ny fotoana ho an’ny distrikan’Avaradrano.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire