ActualitésTatitra

0Corée du Sud : Vehivavy tompondaka eran-tanin’ny billard i Sruong Pheavy

Lasa olo-malazan’ny taranja Billard i Sruong Pheavy tao anatin’ny taona vitsivitsy monja. Teraka tao amin’ny faritanin’ny Tbong Khmum tao Cambodge izy ary nifindra monina tao Corée du Sud 12 taona lasa izao rehefa nanambady.

30 taona i Sruong Pheavy, tonga tao Corée izy vao nahalala fa nanana talenta tamin’ny Billard rehefa nitety klioba fanaovana Billard tao Chungcheong avaratra izay faritra honenany. Rehefa nizatra tena nanditra ny roa taona izy dia nahazo ny laharana faharoa tamin’ny fifaninana « amateur » tao an-toeranas ny taona 2013.

Ny taona 2018 kosa dia dia tafiditra fahatelo tamin’ny andiany fahavalon’ny fiadiana ho tompondaka eran-tany « 3 Bandes Dames » tao Turquie. Nahazo medaly varahana tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tanin’ny « billard français » natao tao Espagne  izy ny taona 2019 ary efa nahangona medaly maherin’ny 20 tamin’ny fifaninanana billiard tao Corée sy eran-tany.

Voafidy tompondaka eran-tanin’ny taranjany kosa izy nandritra ny fiadiana ho tompondaka eran-tany Biyakrom tao Corée du Sud.

Laisser un commentaire