Niger : Mpikarakara fifidianana filoham-pirenena miisa fito no maty nipoaka tao anaty fiara nitondra azy ireo.
Niatrika fifidianana filoham-pirenena ny tao Niger, ny alahady teo. Fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa izay nifanandrinan’i Mohamed Bazoum sy Mahamane Ousmane. Nisy anefa ny rà mandriaka nandritra izany satria mpikambana ao amin’ny voamiera mahaleotena momba ny fifidianana (Céni) any an-toerana no maty vokatry ny fipoahan’ny fiara nitondra azy ireo. Tao anatin’izany ny filohan’ny biraom-pifidianana ao Tillabéri sy ny mpitan-tsoratra. Raha ny fantatra, nandalo toerana misy baomba nilevina ny fiara nitondra ireto farany. I Niger izay firenena mbola anjakan’ny tsy fandriam-pahalemana tanteraka ka izay no noheverin’ny governora any an-toerana ho anton’ny loza.
