Analakely : Nozarain’ny polisy fitaovana fanadiovana ireo mpivarotra amoron-dalana
31 Aogositra, 15h00, Nidina teny amin’ireo mpivarotra amoron-dalana eny Analakely ny avy eo amin’ny polisy CSP1 ao amin’ny boriboritany voalohany. Nizara fitaovana fanadiovana toy ny kifafa, sobika ho an’ireto mpivarotra. Natao izany mba hanentanana ireo mpivarotra amin’ny fitandroana ny fahadiovana eny amin’ny toerana fitadivam-bolan’izy ireo sy fanomezana lanja ny fahadiovan’ny renivohitra.
