Ambohimangakely : Avotry ny zandary tao Ambohimangakely ilay zazavavy 12 taona nisy naka an-keriny
Hita sy avotra soa aman-tsara tamin’ny asabotsy, tany Ikianja Ambohimangakely, ilay zazavavy 12 taona izay nisy naka ankeriny tany Ambohitraivo Ambohidanerana, disitrika Soavinandriana Itasy ny faha 09 aogositra 2022
Fantatra fa lehilahy mpanampy tao antranon-dRay amand-Reniny ihany no naka ity zazavavy ity ary nitaky vola 50 tapitrisa ariary tamin’ny alalan’ny antso. Notsirihina tamin’ny tamba-jotram-pifandraisana sy tsongodia ara-toerana ilay laharana nihavian’ny antso ary sarona tamin’izany ny tovolahy iray hafa mpifandray amin’ilay mpanampy matetika. Tra-tehaka tao antranona vehivavy roa mpiray tsikombakomba aminy tao Ankadivory fokontany Antanetibe Ikianja kaominina Ambohimangakely ity farany, izay nanoro ny toerana misy ilay zaza sy ilay mpanampy naka ankeriny sy nanao takalon’aina. Nentina nozahana teny amin’ny toeram-pitsaboana ilay zaza ary hita fa salama tsy manahy ka nomena ny Ray aman-dReniny.
Natao andrimaso ho amin’ny famotorana lalina kosa ireo olona 4 nahavanon-doza mialoha ny hanolorana azy eo anatrehan’ny Fitsarana. Niaiky ny heloka vitany avokoa ireo olona 4 voarohirohy. Marihina fa tsy nandoa vola ho sandan’ny famotsorana ny takalon’aina ireo Ray aman-dReny. Isaorana ireo mponina eny Ikianja tamin’ny fisamborana ireo nahavanon-doza ary isaorana ihany koa ireo zandarimaria.
Famenontsoa Rajerison
