ActualitésTatitra

Finlande : Fitaovana mitondra harena ny « Sampo »

Ny « Sampo » dia fitaovana mitondra harena araka ny angano ao Finlande. Fitaovana mahagaga hampifandraisina amin’i Pohjola izany matetika.

Araka io angano ao amin’ny firenena io dia nisy nangalatra tao amin’ny mpanamboatra azy antsoina hoe « Ilmarinen » ny « Sampo ». Manoloana izany dia lasa niaina tao anaty fahasahiranana ny firenena ka nandeha nikaroka izany ny mponina tao an-toerana. Lavo tamin’ny ady an-dranomasina nanarakaraka izany nefa izy ireo.

Tsy nisy nahalala hoe fitaovana toy ny ahoana ny « Sampo ». Maro ny hevitry ny maro momba izany, ao ireo nilaza fa « compas » na « astrolabe » izany. Ao amin’ny « Kalevala » dia nolazain’i « Lönnrot » fa karazana fikosoham-bary ny « Sampo ». Ny poeta Paavo Haavikko kosa dia nilaza fa « Vikings » tao Constantinople no naka io fitaovana io. Na izany aza dia tsy misaraka amin’ny kolontsain’i Finlande ny « Sampo ».

Laisser un commentaire