Morondava : Tamba-jotra manamboatra basy tsy ara-dalàna no saron’ny zandarimariam-pirenena
Tambazotra manamboatra basy tsy ara-dalàna no saron’ny zandarimariam-pirenena tao Morondava. Efa nisy ihany koa moa ireo olona mpanamboatra basy tsy ara-dalàna no tratra teo aloha. Olona miisa 14 no tratra tamin’izany : folo ireo lehilahy, ary miisa efatra kosa vehivavy.
Sahy nijoro vavolombelona moa izy ireo fa mpanamboatra basy tsy ara-dalàna avy ao Mahabo kely faritra Menabe hoy ireo mpitandro filaminana. Saron’ny zandary moa izy ireo tao aorian’ny fandraisana loharanom-baovao avy amin’ny vondrontobim-pileovan’ny zandarimaria tao Ambatolampy. Nahitana basy vita gasy maromaro sy ireo fitaovana fampiasa enti-manamboatra ary ireo akora ilaina amin’izany moa tao amin’izy ireo.
Efa natolotra ny fampanoavana ny alarobia 24 aogositra 2022 lasa teo moa izy 14 mianadahy ireo, ary ny lehilahy 6 tamin’izy ireo kosa no nahiditra am-ponja vonjimaika raha nahazo fahafahana vonjimaika ny lehilahy 4 tao aorian’ny fampanaovana. Mitohy hatrany ny fanadihadiana.
Famenontsoa Rajerison
