Sabotsy Namehana : Hisy ny fampisehoana « Bye bye vacances »
Hisy ny fampisehoana « bye bye vacances » ao sabotsy namehana ny alahady ho avy izao, ao amin’ny kianjan’i Sabotsy. Fampisehoana alohan’ny fidiran’ny mpianatra, araka izany anarany izany moa izy ity. Maro ireo mpanankanto ny ho tonga hanafana ny sehatra, anisan’izany Rootsikalo, Malm, wada sy Yoongs ary Njara sy Jacquis, hiarahana amin’ny DG Willy izany hetsika izany. Manomboka amin’ny telo ora tolak’andro ny fampisehoana izay atao. Natao ity hetsika ity mba hialana voly alohan’ny hiverenana an-tsekoly.
Famenontsoa Rajerison
