Dépêches

Mahajanga : Azon’ny olon-drehetra ampiasaina ny tora-pasika fa tsy an’olontokana

24 Aogositra, 15h00, Tafiditra ao anatin’ny tanim-panjakana ny tora-pasika fa tsy an’olo-tokana ary tsy azo amidy, araka ny fanambarana nataon’ny avy eo anivon’ny fitaleavana misahana ny fitsinjarana ifotony sy kaominina renivohitry Mahajanga.  Mety ahavoasazy araka izany ny fibodoana na fanakanana ireo mpitsidika ao an-toerana ny fampiasana ireny fananana sy toerana eny amin’ny sisin-dranomasina ireny.

Laisser un commentaire