Dépêches

Antsiranana : Mpangalatr’omby iray tratra nandritra ny fisavana nataon’ny polisim-pirenena

24 Aogositra, 16h00, Mpangalatr’omby tao amin’ny fokotany Anamakia no tratran’ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP2 Manongalaza, nandritra ny fisavana na « patrouillage » natao tao amin’ny fokontany Ambalakazaha, kaominina renivohitr’Antsiranana, ny marainan’ny talata 23 aogositra teo. Omby iray no fantatra fa nalainy tamin’izany ary efa natolotra ny fitsarana ao an-toerana ny mahakasika azy.

Laisser un commentaire