Mpitandro filaminana : Nahazo fanomezana avy amin’ny VPAN Antsiranana
24 Aogositra, 17h00, Nanolotra kodiaran-droa ho an’ny polisy sy zandary ary fitaovana karazany maro ho an’ny prefen’Antsiranana sy ho an’ny vahoaka ao amin’ny faritra ny VPAN an’ny faritra Atsinanana, ramatoa Jocelyne Maxime. Entina hanamorana ny fiadiana noho ny fahitana ny trangana tsy fandriam-pahalemana sy ny fahasahiranan hiainan’ny mponina an-toerana no anisan’ny anton’izao fanolorana fanampiana izao, izay notanterahina tao anatin’ny herinandro monja.
