Social

Samy manana ny fitantarany ny zavatra nitranga tao Toamasina.

Fangatahana ny vatsim-pianarana izay tokony efa ho azo no tena olan’ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony. Efa nanao ny fitokonany ny mpianatry ny Oniversiten’Ambohitsaina, ny tany Antsiranana ary ny teny Vontovorona. Izao indray kosa dia nanao ny fitokonany any avy ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina. Fitakiana vatsim-pianarana efa-bolana hoan’ireo mpianatra no anton’izao. Nisy araka izany ny fifandonana teo amin’ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana. Nandatsahan’ireto farany baomba mampadatsa-dranomaso ary fandorana kodiara andalambe kosa no nataon’ireto mpianatra. Mpianatra miisa 3 no voalaza fa naratra. Ny iray tamin’izy ireo no tena voa mafy ary nalefa haingana any amin’ny Urgence Hôpital be.Tapaka ny RN2 teo anoloan’ny Université Barikadimy Toamasina nandritra izany. Ora vitsy taty aoriana anefa dia Nodimandry io mpianatra naratra mafy voatifitra io, tsy tana intsony ny ainy teny amin’ny hôpitaly vokatry ny ra very be loatra. Voalaza fa nampiasa bala tena izy ny mpitandro filaminana izay mbola tsy hay mazava ny antony nanaovany izany. Zon’ireo mpianatra anefa ny mangataka io vatsim-pianarana io ka nahoana no dia ampiasaina hery toy izao ? Aiza ho aiza ihany koa ny zon’olombelona manoloana ity tranga ity ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire