Toamasina : Miezaka mamongatra ny ratsy ny zandarimaria.
Miezaka hatrany ireo zandarimaria manerana ny Madagasikara mamaly ny fitarainana maro tonga eny aminy. Tsy ataon’izy ireo tsinotsinona anefa na dia raharaha somary sarotra sy mila faharetana amin’ny fanadihadiana aza. Ny 18 janoary lasa teo izao tao Toamasina nisy fiara izay voalaza fa nofain’olona hitondra razana ho any Betampona, distrika Mahanoro kanefa tsy azo antso taorin’izay ny olona tao anatiny na ilay mpamily aza. Nametraka fitarainana teny anivon’ny zandarimaria ny havan’ilay mpamily sy ny tompon’ilay fiara ny 25 janoary lasa teo ka nanao ny asany ny zandary taorian’izay. Ny 04 febroary lasa teo, nahitàna razana iray tsy fantatra tany Mandalahy kaominina Alakamisy-Ambohimaha distrika Lalangina faritra Matsiatra ambony. Voamarina tamin’izany fa tena ilay mpamily tsy hita io razana io ary efa nalevina. Enina ny olona voarohirohy amin’ity raharaha ity ary nampiharana avy hatrany ny lalana velona. Nahiditra am-ponja vonjy maika ny 16 febroary lasa teo izy ireo. Jiolahy miisa roa sisa no karohan’ny « Section de recherches criminelles” izay mitondra ny anarana hoe Veve sy Francis. Tsy mifendro amin’ny asa sahanina azy ny zandary fa tena vonona amin’ny famongarana ny ratsy mba hampadrosoana ity firenena mamintsika ity.
Nicole Rafalimananjara
