Menabe : Nohitarina telo andro indray ny hetsika maimaim-poana ho an’ny fahasalamam-bahoaka
Nohitarina telo andro indray ny hetsika ara-pahasalamana maimaim-poana tao amin’ny faritra Menabe. Marihina fa efa nisy tany amin’ireo tobim-pahasalama maro hafa ity tolotra maimaim-poana ity.
Nohitarina ho telo andro izany, ka ny 18 aogositra 2022 hatramin’ny asabotsy 20 aogistra no nanohizana izany. Nisy ny fanalana nify, fitiliana diabeta, tosi-drà miakatra aryny fanaovam-bakisiny ny zaza sy ny olon-dehibe. Ity hetsika ity moa dia nokarakarain’ny fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka ao amin’ny faritra Menabe.
Narisika ny olona, ary nanamafy fa isany manala ny fahasahiranany izao hetsika ataon’ny fanjakana izao hoy ny préfet an’ny Morondava Rafidison Fidèle. Isaorana hatrany ireo rehetr nikarakara izany hetsika izany.
Famenontsoa Rajerison
