Chine : Olona manana ny lazany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Sammo Hung
Teraka ny 7 Janoary 1952 tao Hong-Kong i Hung Kam-bo izay fantatra amin’ny anarana hoe Sammo Hung. Mpanao ahiady, mpilalao sarimihetsika, mpanatontosa sy mpamokatra horonantsary ary « chorégraphe » haiady i Sammo Hung. Anisany tena nampalaza azy ny famokarana horonantsary naneho haiady sy naherihery setra.
Anisan’ireo nanao ny « chorégraphie » haiady horonantsary malaza maro i Sammo Hung. Efa niara-niasa tamin’i Jackie Chan, King Hu ary John Woo ny tenanay ary tafiditra tamin’ireo « Lucky Stars » tamin’ny taona 1980 sy 1990 ny tenany. Maro ireo sarimihetsika novokariny anisany ny « Le Moine d’Acier » tamin’ny taona 1977, ny « Warriors Two » tamin’ny taona 1978, ny « Enter the Fat Dragon » 1978…
