Antananarivo : Mitady vahaolana ireo tompon’andraikitra manoloana ny tsy fahampian’ny solika
Nijery vahaolana ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Andry Ramaroson entina hamahana ny tsy fahampiana solika eto Antananarivo. Marihina fa ny Jovena no tena lasibatra amin’ity tsy fahampiana solika ity.
Raha ny voalazan’ny Minisitry ny Angovo dia tsy ampy intsony aza moa ny tahiry amin’ny lalam-pirenena faha-7 sy faha-4 iny. Misy ny fiara lehibe nalefa hanampy ny tahiry any an-toerana noho izany. Ny eto Antananarivo moa dia mbola mijanona hatrany amin’ny saran-dàlana izay efa nihakatra ny saran-dàlana mihatra.
Ampy 25 andro ny tahiry misy eto Madagasikara amin’izao ary efa misy ny sambo ho tonga ihany koa amin’ny faran’ny volana aogositra hitondra solika. Miezaka mitady vahaolana hatrany moa ireo tompon’andraikitra.
Famenontsoa Rajerison
