Dépêches

Solika: Efa nigadona tao Toamasina ny sambo nitondra solika.

Nigadona tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina omaly folak’andro ilay sambo voalohany nandrasana hitondra solika ho an’i Madagasikara, Hafnia Nanjing, araka ny nambaran’ny ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo. Nitondra solika 59.903m3 amin’ny gazoala, 16.584m3 amin’ny supercarburant ary 4.093m3 amin’ny arona fandrehitra izy io.

Efa nanomboka ny fitsinjirana manerana ireo tobi-tsolika isam-paritra ary amin’ny faran’ity volana aogositra ity no vinavinaina ahatongavan’ny sambo manaraka

Laisser un commentaire