Sabotsy Namehana : Hisy ny varavarana misokatra iarahana amin’ny Jirama
Hisy ny varavarana misokatra ho an’ny rehetra ao Sabotsy Namehana ny 12 Aogositra 2022, iarahana amin’ny orinasa Jirama. Betsaka amin’ny mpanifa mantsy no tsy mahalala akory ireo tolotra maro ao amin’ny Jirama, izay mety hifanaraka aminy.
« Mitety kaominina maro mihitsy izahay hampahafantatra azy ireo mikasika ny tolotra misy rehetra. Fotoana ihany koa io hihainoana ny mpajifa sy hifanakalozan-kevitra » hoy ny avy ao amin’ny orinasa Jirama. « Betsaka ny olona mitaraina amin’izao mikasika ny fampandehanan’asan’ny Jirama. Hihaino antsika ary hitondra fanazavana aminstika izy ireo mandritra io varavarana misokatra io » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana.
Hanomboka amin’ny 9 ora maraina ny fotoana. Manasa antsika rehetra ho tonga amin’izany ny avy ao amin’ny kaominina sy ny orinasa Jirama.
Nicole Rafalimananjara
