Actualités

Nouvelle-Calédonie : Mpitantana orinasa voaheloka an-tranomaizina.

Voaheloka higadra an-tranomaizina mandritran’ny heritaona ny mpitantana orinasa iray ao Nouvelle-Calédonie. Roger Noraro, izay niasa teo anivon’ny fitaterana. Roa volana taorian’ny fanamelohana azy ho naka an-keriny ny fananan’ny orinasa sy fanaovana fanodikodinam-bola. Vesatra hanenjehana azy ny famarotana ireo entana izay efa voavidin’ny mpanjifa teo anivon’ny orinasany mba hahafahany mandoha ny trosany amin’ny orinasa hafa. Izany hoe olona maro no mitory azy noho io antony io. Milaza ny fitsarana tany an-toerana fa vokatry ny tsy fahaizany mitantana no anton’izao fanenjehana azy izao.Nangataka fifonana teo anivon’ireo mpanjifa ny mpisolo vava azy saingy tsy nahitam-bokany izany. Etsy ankilany, ny mpiaron’ny zon’ny mpanjifa ao an-toerana nangataka ny hampiaharana ny sazy henjana indrindra ho an’ity mpitantanaa ity.

Laisser un commentaire