ActualitésTsidika

Alopécie : Inona moa izany ?

Ny « Alopécie » dia voambola siantifika mamaritra ny fihitsanam-bolo amin’ny hampahany na manontolo. Mety ho tratran’ny tranga avokoa na lehilahy na vehivavy saingy ny olona efa nahazo taona no tena tratrany.

Maro ny antony mahatonga ny « Alopécie ». Mety efa tarazo izany ka antsoina hoe « alopécie androgénétique ». Mety ho vokatry ny « influence » eo amin’ny hormonina lahy izany, mety ho vokatran’ny rarin-tsaina, ny « chimiothérapie », sy ny « radiothérapie » ihany koa. Ny tsy fahampian’ny « fer » eo amin’ny vatana na tsy ampy ny rivotra ao anaty dia mahatonga ny volo mihitsana na tapatapaka.

Mba hisorahana ny fihitsanan’ny volo dia mila manasa loha matetika, in-droa isan-kerinandro eo. Tsy atao mamay be ny rano hanasana azy. Mila ferna ihany koa ny fampiasana ny « produit chimique » amin’ny loha. Tsy tsara hafatotra mafy loatra ny volo ary ilaina ny mihinana sakafo misy calcium, silicium, fer, zinc, vitamine B ary acides gras toy ny tamenaka atody, vaomaina, akondro.

Laisser un commentaire