ActualitésTsidika

Zandary : Tokony tsy hisalasala hanatona ny lehibe raha misedra olana

Nisesisesy tato ho ato ny famonoan-tena nataon’ireo Zandary. Tsy fantatra foana anefa izay tena olana nisy marina nahatonga azy ireo nanao izany kanefa efa tafiditra ao anaty toromarika ny hoe mila mahalala ny olan’ny miaramila ny Kaomandy.

« Misy andraikitra tsy nety ihany tao matoa nisy ireny. Andraikitry ny lehibe isan-karazany ny mahalala ny olan’ny miaramila. Manana adidy amin’ny famantarana ny olan’ny miaramila tsirairay ny mpitantana dia mifanampy avy eo » hoy ny Jeneraly Ramasitera Ny Haingo. « Marina fa efa misy ny fanofanana ara-moraly kanefa mbola nitranga ihany ny toy izao. Mety ilaina koa angamba ny fanabeazana aram-pinoana. Mafy ny asan’ny zandary, mety misy tery ara- moraly, eo koa ny filàna ny valin’ny asa natao. Tsy tokony hisalasala ihany koa ny zandary hannatona ireo lehibeny raha misy ny olana » hoy hatrany izy.

Efa mandray ny andraikitra tandrify azy ny tompon’andraikitra, ary misy ny fanadihadiana izay atao amin’izao fotoana izao. Hirariana tsy hitohy intsony ny tranga tahaka izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire