Fandriam-pahalemana : Havaozina sy averina ny Dina any Melaky
Ho averina ny fampiharana ny dinan’i Melaky « Tsy mipoly » ho famahana ny olan’ny tsy fandriam-pahalemana. Hisy fanovana vitsivitsy sy mety hitondra anarana vaovao ity Dina ity. Liana, sy miara-mikaon-doha amin’ny famerenana azy ity ny faritra mifanila vodirindrina. Ao an-toerana amin’izao ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny.
« Nilamina ny faritra Melaky tamin’ny fotoana nampiharana io Dina io. Saingy niverina tsy nandry fahalemana taty aoriana. Tsara tokoa ny hamerenana azy hisian’ny filaminana indray » hoy ny mponina. « Tany amin’ny taona 2009 no nanomboka nisy an’ity Dina ity teto Besalampy. Nohitarina tamin’ny distrika rehetra tao amin’ny faritra izany ny taona 2010. Ary nahazo fankatoavana taty amin’ny taona 2011. Nisedra olana anefa izany taty amin’ny taona 2015. Anisan’ny niteraka disadisa tamin’ny mponina sy ny komitin’ny dina teo amin’ny fokontany sy kaominina samihafa » hoy ireo tompon’andraikitra eny ifotony.
Hanampy amin’ny « Tagnamaron’ny fandriam-pahalemana » ataon’ny mpitandro filaminana ankehitriny ity fanetsehana ny Dina ity. Hirariana mba hihamafy hatrany izany hisian’ny fandrosoana.
Nicole Rafalimananjara
