ActualitésTatitra

Comores : Toy ny ahoana ny fikarakarana « Poulet pilão » ?

Sakafo avy ao Comores ny  « pilão » izay fifangaroana, akoho sy vary ary hanitra samihafa. Manoloana izany dia tsotra ny fangar ilaina amin’ny fikarakarana azy : akoho, vary, voatabia, tongolo gasy, tongolo, « safran », « cannelle » vonony, « cumin » vovony, menaka oliva, sira ary dipoavatra.

10 minitra monja ny fikarakarana, totona ny tongolo gasy ary afangaro amin’ireo atsasan’ny hanitra rehetra voalaza teo aloha. Ny atsasan’ny kosa atao ao anaty « sachet congélation » miaaraka amin’ny akoho sy ny menaka. Hidina tsara ny « sachet » ary ahotsakotsana dia alona mandritra ny 15 minitra. Tetehina ny tongolo sy ny voatabia mandritra izany.

Hendasina ny akoho rehefa avy nalona ary arotsaka ao ny tongolo sy voatabia miaraka amin’ny hanitra rehefa miendiendy ny akoho. Saronana mandritra ny 10 minitra izany rehefa izany vao arotsaka ny vary. Avela ho masaka 10 minitra izany vao asiana rano hanamasahana azy.

Laisser un commentaire