Mananara Avaratra : Tafiakatra 79 ireo olona mitondra ny tsomkaretina VIH SIDA
Tafakatra 79 ny olona fantatra fa mitondra ny tsimokaretina VIH SIDA ao amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra, faritra Analanjirofo, nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona 2022 ity. 117 izany tamin’ny taona 2021. Misy ny fandraisana an-tanana azy ireo any an-toerana.
« Manentana ny olona hanao fitiliana. Ny fanaovana fitiliana no ahafahantarana ny fandraisana an-tanana tokony ho atao » hoy ny tompon’andraikitry ny fahasalamana ao amin’ny fari-piadidiam-pahasalamana Mananara Avaratra. « Nisy ny fanentanana mikasika ny fitondran-tena sy fiarovana tokony hatao. Izany dia niarahana tamin’ny mpampanofa trano fivahinianana sy trano fatoriana » hoy hatrany izy ireo. Mbola mitohy ny ady amin’ny VIH SIDA eto amintsika.
Ity aretina izay tsy misy fanafany hatreto fa kosa ny fitandremana no tena vahaolana mahomby.
Nicole Rafalimananjara
