Anosy Avaratra : Mitohy hatrany ny fanomezana tolotr’asa ireo tanora
Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Anosy Avaratra sy ny orinasa Accès Banque Madagascar amin’ny fanomezana asa ireo tanora. Hisy ny fiofanana ho atao ny alarobia 27 jolay ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra manomboka amin’ny 10 ora maraina.
« Tanora maherin’ny 21 taona no tena ilaina amin’ity tolotr’asa ity. Tanora avy eto Anosy Avaratra ihany koa, ary mahalala tsara ny momba ny tanàna sy mifandray amin’ny mponina » hoy ny avy ao amin’ny Accès Banque. « Isaorana ny Accès Banque mifanampy hatrany amin’ny kaominina amin’ny fampananana asa ny tanora. Miezaka hatrany isika amin’ny asa fampandrosoana ny tanàna » hoy ny ben’ny tanàna ao Anosy Avaratra, Razafimahefa Luc.
Ny dika mitovy amin’ny karapanondro sy ny orijinaly ary sary tapaka sy fanamarinam-ponenana, miampy penina no entin’ireo tanora mandritra ny fiofanana.
Nicole Rafalimananjara
