SocialTatitra

France : Freaky Hoody, mpampianatra hafa endrika

Sylvain Hélaine antsoina hoe Freaky Hoody no lehilahy be tombokavatsa indrindra ao France. Voarakotra izany avokoa ny vatany hatrany anaty masoniny sy ny lelany. 460 ora tao anatin’ny 3 taona, nanomboka ny taona 2012 hoy izy no fotoana nanaovany ny tombokavatsany rehetra.

Monina ao Paris ity lehilahy mananika ny faha 37 taonany ity. Anisan’ireo nanaporofo izy fa tsy mahasakana hanao zavatra ny endrika ivelany. Ankoatra ny maha olo-malaza azy noho ireo tombokavatsany ireo mantsy dia mampianatra eny sekoly ambaratonga fototra ny tenany. Zaza 6 hatramin’ny 11 taona no ampianariny, taonan’ny fahalianana fa taonan’ny fahatahorana ihany koa raha ny fanazavany.

Manaitra ny mpianatra sy ny ray aman-dreny hoy ny fanamafisany izy am-boalohany saingy mandray azy toy ny mpampianatra ihany izy ireo. Mampianatra ny mpianany tsy hitsara ivelany sy tsy hanavakavaka, hoy izy, ny endriny.

Laisser un commentaire