ActualitésTsidika

Manandriana : Hisy ny fitaterana maimaimpona ireo mpiatrika fanadinana bacc

Hisy ny fitaterana ireo mpanala fanadinana bacc ao amin’ny kaominina Manandriana Avaradrano. Hanomboka ny 18 hatramin’ny 22 jolay izany, izay miainga amin’ny 5 ora sy sasany maraina.

« Hotaterina avokoa ireo mpiatrika fanadinana eto amin’ny kaominina. Miantso azy ireo mba hisoratra anarana mialoha anefa hahitana ny fandaminana tokoa ho atao » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Manandriana. « Amin’ny 5 ora sy sasany tsy diso no miainga eo Ambatomandondona sy eny amin’ny sampanan’i Mahatsinjo ny fiara. Izany dia natao hanamora hatrany ny fiatrehan’ireo zanantsika ny fanadinana » hoy ny hatrany izy ireo.

Ireo tanora ireo tokoa no ho rehareha rahatrizay. Tsara raha tohanana hatrany ho lasa alavitra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire