Solika : Tsy maintsy hiakatra ny sarany
8 Jolay, 12h 30 Tsy maintsy hiakatra ny vidin-tsolika hoy ny Tale jeneralin’ny OMH, Jean baptiste Olivier. Mifandray tanteraka amin’ny zava-misy amin’ny tsena iraisam-pirenena ny solika, izany hoe miankina amin’ny zava-misy eo amin’ny tolotra sy ny tinady maneran-tany raha ny fanazavany.
Marihana fa efa nampiakatra izany avokoa ny ankamaroan’ny Firenena rehetra amin’izao fotoana. Mbola ao anaty fikaonan-doha tanteraka manoloana izany kosa ireo mpitondra Fanjakana sy ireo mpandraharaha solika rehetra eto amin’ny firenena.
