Social

Endrika fifanampina afaka atao fitaratra

Fikambanana iray misehatra eo amin’ny fampandrosoana ny SAF FJKM. Niforona tamin’ny taona 1974 izy ity ho fanampiana ireo mponina misedra olana. Fikambanana tsy miandany amin’ny antoko politika ary tsy manavaka finoana izy io. Manana toeram-pitsaboana miisa 22 izy ireo, ary manana mpiasa amin’ny fampandrosoana 54 manerana ny nosy. Ezaka imasoan’izy ireo ny fanampiana ireo olona maro samihafa. Anisan’izany ireo olona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo. Tokatrano any amin’ny 1 500 avy any Amboasary Atsimo, kaominina Berano no hisitraka fanampiana avy amin’izy ireo mandritran’ny enim-bolana manaraka izany. Hahazo vary 50 kg sy vola 75 000 Ar isan-tokatrano izy ireo mba hiatrehana ny tsy fanjarian-tsakafo misy any antoerana. Ankoatran’ny fanjakana, maro ny fikambanana mamaly ny antso amin’ny fanohanana ireo olona any atsimon’ny nosy. 

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire