Ankadikely ilafy : Miezaka manarina ireo lalana simba ny kaominina
Manao ezaka manokana ny kaominina Ankadikely-Ilafy amin’ny fanarenana ireo làlana izay hita fa misy fahasimbana eto an-toerana. Isany amin’izany ny ao amin’ny faritra Ankadikely.
« Ho fisorohana ny ho mety fahavoazana sy ho tombotsoan’ny besimaro, indrindra ho an’ireo mpampiasa ny làlana no anaovana izao asa fanamboarana izao. Ialàna tsiny sahady ny amin’ny ho mety fanelingelenana haterak’izany amin’ny fifamoivoizana » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Tena betsaka tokoa ny lalana simba ilaim-panamboarana teo amintsika. Tsy ny kaominina no tsy miasa fa isika vahoaka no tena mila mahay mikolokolo izany voalohany. Tsara raha samy miaro sy sarotiny amin’ny lalana indrindra isika mipetraka manamorona ny lalana » hoy i Fanja, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Miara-miasa, ary mifameno tokoa, ny mpitondra sy ny vahoaka. Ho an’ny vahoaka ihany ny asa ataon’ny mpitondra hany ka rariny loatra raha sahy mijoro miaro ny fananana iombonana isika.
Nicole Rafalimananjara
