Rodrigues : Misedra tsy fahampian’ny PPN ny nosy
Efa herinandro mahery izao no tsy nahitana vokatra fampiasa amin’ny fiainana an-davanandro samihafa, any amin’ny toeram-pivarotana ao Rodrigues. Anisany ireo tena sarotra hita amin’izao fotoana ny menaka, ronono, sakafo amin’ny kapoaka sy dibera.
Mampiahiahy izany tsy fahampian’ny vokatra izany hoy ny mpivarotra iray tao an-toerana. Hatramin’ny alatsinainy teo mantsy dia tsy mbola nahazo ny lisitr’ireo vidin-tsakafo fototra i Rodrigues raha efa nivoaka izany tao Maurice. Etsy ankilany nefa dia miakatra ny vidin’ny alikaola sy ny sigara ao Rodrigues. Vao maika mampahantra tokantrano maro izany ary mampihena ny fihinanany sakafo.
