Fitsarana : Peta-drindrina hosoka ilay nisy nametraka teny amin’ny fitsarana
06 Jolay, 15h00, Niparitaka tato amin’ny tamba-jotran-tserasera ny sarina peta-drindrina nisy soratra noferana folo isan’andro ihany ny fametrahana fitoriana raisan’ny fitsarana. Nanazava kosa ireo tompon’andraikitra fa peta-drindrina efa tamin’ny andron’ny Covid izany nisy nanaparitaka izany.
Nomarihan’ny Filohan’ny SMM fa taratasy tsy misy sonia ary misy « blanco » natao hosoka iny peta-drindrina iny ary olona ao anatiny ihany no voalaza fa nanao izany. « Mitohy hatrany ny fandraisana ny fitoriana ary Zo fototra ny mitory izany, « resaka fanakorontanana ao anatiny no nanaovan’ny olona iny peta-drindrina iny » hoy ny Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara.
Marihina fa tsy mandray olona mametraka fitoriana anaty birao intsony ny famapanoavana fa avy hatrany dia manantona ny varavarana laharana 13 ireo izay hametraka fitoriana, hiadiana amin’ny kolikoly sy ny mpijirika
