Chine : Voafetra tsy hivoaka ny faritany ny fianakaviana tamin’ny fankalazana ny taombaovao.
Napetraka ny lalàna tsy fahafahana mivezivezy na anatiny na ivelan’ny faritra manoloana ny valanaretina covid-19. Misy ireo sinoa maniry hamangy havana nohon’ny fahatratrarana ny fankalazana ny taom-baovao sinoa, ny alakamisy 11 febroary teo. Ny manampahefana ao an-toerana no nametraka io lalàna io. Mbola tsy azo lazaina ho foana ny valanaretina covid-19 raha ao Chine manokana, hoy ny tatitra nataon’ny France 24. Misy arak’izany ireo nisafidy ny hifampiantso an-tariby fotsiny ihany mba ahafahana mahazo vaovaon’ireo fianakaviana any lavitra.
