Alasora : Mandray ireo manana olana mikasika ny tany
Hisy ny varavarana misokatra ho an’ny olona manana olana amin’ny fananan-tany ao amin’ny sampandraharaha misahana izany eny Alasora. Ny zoma 01 jolay 2022 manomboka amin’ny 09 ora izany.
« Hisy ny torohevitra omena ireo manana olana amin’ny resaka tany. Manampy araka izay filany izahay amin’io fotoana io » hoy ny tompon’andraikitra. « Miantso ireo manana tany nohajariana na mbola tsy nisoratra ara-dalàna na ireo manana olana amin’ny resaka tany hanararaotra io fotoana io. Matetika tokao mantsy miteraka olana eo amin’ny mpihavana ny resaka fananan-tany. Hafa foana iznay manara-dalàna izany mba hahafahan’ny lalàna miaro antsika » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora.
Misokatra ho an’ny rehetra ny varavaran’ny sampandraharaha misahana ny fananan-tany eny Alasora mandritra io fotoana io.
Nicole Rafalimananjara
