Fetim-pirenena : Tsara raha manohana ny vita malagasy hatrany
Miparitaka eran’ny tsena izao ny arendrina indrindra ny vita sinoa. Fomban’ny any ivelany mihitsy ny mamorona zava-baovao hatrany ho alefa aty Madagasikara rehefa akaiky ny asaramanitra tahaka izao. Etsy ankilany, tsy vitsy ihany koa ireo Malagasy, mitrandraka hatrany, manatsara ny vokatra eto an-toerana ary mivarotra izany eto an-toerana ihany.
« Sady manohana ny vita gasy no manome hasina ny an’ny tena ny fanjifana ny arendrina vita Malagasy amin’izao fetim-pirenena izao. Fetim-pirenena Malagasy rahateo no atao ary rariny loatra raha ampanjakaina ny vita Malagasy. Marina fa tsy mamiratra mihoatra ireo vita vahiny saingy sanatria dia ho toy ny valalan’amboa » hoy i Samuel, mpampianatra eny amin’ny lycée.
Nahoana tokoa isika no hanindrahindra ny vita vahiny raha isika eto an-toerana aza tsy manohana ny antsika ? Iza no hanohana ny antsika ? Mila fanohanana ihany koa ireo mpanao asa tanana Malagasy ahafahany manatsara hatrany ny vokatra. Ny fanjifantsika ny vita Malagasy no fihetsika voalohany mampiseho fa manohana ny mpanao asa tanana isika.
Nicole Rafalimananjara
