Fambolena sy fiompiana : Ho atao fitaovana mahery vaika hiatrehana ny krizy
Ny fambolena sy fiompiana no sehatra misy ny ankamaroan’ny Malagasy. Hisy ny ezaka lehibe ho ataon’ny fanjakana ho entina hampiroboroboana izany.
« Ho ataontsika fitaovam-piadiana mahery vaika handresena ny krizy sy ny ady samihafa ny fananana famokarana miroborobo sy mahampy mifototra amin’ny fambolena sy fiompiana. Tsy maintsy mampitombo ny voka-bary isika » hoy i Rajoelina Andry. « Ho ampiana ny tantsaha, amin’ny lafiny zezika sy masomboly ary fitaovana samihafa. Ampitomboina ny velaran-tany azo volena. Ampiroboroboina ny agri-business, izay iarahanan’ny rehetra miasa. Tsy maintsy tohizana ny fametrahana fotodrafitrasa mifandraika amin’izany, toy ny tohodrano » hoy hatrany izy. Marihana fa nisy ny ny Fikaonan-doham-pirenena ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo teny amin’ny CCI Ivato. Ho tratra tokao ve ny tanjona amin’ireo paik’ady napetraka ?
Nicole Rafalimananjara
